Fitsinjaram-pahefana

Ny fitsinjaram-pahefana dia ny famindrana fahefana sy asa ary ho enti-manana avy amin' ny fanjakana foibe (na governemantam-pirenena) ho any amin' ny fikambanana na vondrona madinika kokoa tsy manam-piandrianana na manana an' izany amin' ny ampahany nefa manana fizakan-tena, ao amin' ny firenena, izay fehezin' ny lalàm-panjakana, sy miavaka amin' ilay fanjakana foibe, indrindra fa momba ny drafitra sy ny fandraisana fanapahan-kevitra, nefa eo ambany fanaraha-maso na eo ambany fiahian' ny fanjakana foibe, manaja ny foto-kevitry ny fanarahan-dalàna, izay ampiharin' ny fahefam-panjakana. Manana fizakan-tena lehibe na kely, arakaraka ny ambaratongan' ny fitsinjaram-pahefana, ny fikambanana na vondrona misitraka ny fitsinjaram-pahefana (fanjakana, faritany, faritra, kaominina, sns), ary manana ny tetibolany manokana. Ny fitsinjaram-pahefana koa dia azo ampiharina amin' ny fikambanana tsy miankina na amin' ny olom-pirenena mihitsy. Raha lazaina amin' ny teny hafa, ny fitsinjaram-pahefana dia famindrana andraikitra ataon' ny fanjakana amin' ny vondrom-paritra na andrim-panjakana tsy mitovy amin' ilay fanjakana ary manana fizakan-tena ara-pitantanana nefa eo ambany fanaraha-mason' ilay fanjakana. Tsy manome fahaleovan-tena fa fizakan-tena ny fitsinjaram-pahefana.

Jereo koa hanova