Ao amin' ny antrôpôlôjian' ny fivavahana, ny fitoerana masina amin' ny ankapobeny dia tranobe na toerana voatokana (amin' ny alalan' ny "fanamasinana") na lasa masina, noho ny fifandraisany amin' ny andriamanitra na amin' ny mihoa-draha.

Fitoerana masin' ny babisma ao amin' ny tendrombohitra Karmela any Haifa, Israely

Noho izany, io toerana io dia voarara indraindray tsy hidiran' ny olona ivelan' ilay fivavahana na ny olona tsy anisan' ny mpitondra fivavahana, ary tsy mahazo miditra ao afa-tsy ny olona "nohamasinina", mpitondra fivavahana (matetika antsoina hoe "mpisorona" na "pretra"), fa tsy toy ny tempoly mahazatra izay aorina mba ho toerana azo idirana indrindra ho an' ny mpino tsy an-kanavaka, fa tsy hoe fotsiny ho an' ny olona voatokana. Noho izany, ny fitoerana masina dia matetika mifandray amin' ny fivahiniana masina. Ny fitoerana masina koa dia mety hahitana sisan-javatra navelan' ny olo-masina na sisa tamin' ny vatany.

Ao amin' ny fiangonana na tempoly, ny fitoerana masina dia ny faritra misy ny alitara na ôtely sy ny fanehoana an' ohatra an' Andriamanitra, izay antanterahana ny fombafomba masina. Ny fitoerana masina dia tsy tokony hafangaro amin' ny toerana natokana ho an' ny moanina - ho an' ny fihirana amin' ny fanompoam-pivavahana - na ny mpitondra fivavahana. Ao amin' ny fiangonana kely dia iray ny fitoerana masina sy ny toerana atokana ho an' ny mpiventy hira.

Ny fivavahana manangana toeram-pivavahana ,atao ho fanoloran-tenan' ny besinimaro, izay antsoina matetika hoe fitoerana masina, dia ahitana:

Jereo koa hanova