Vondrom-piteny vôltaika-nizeriana

(tonga teto avy amin'ny Fiteny vôltaika-nizeriana)

Ny vondrom-piteny vôltaika-nizeriana, izay nantsoina taloha hoe fiteny benoe-kôngôley andrefana na fiteny koà atsinanana, dia sampana ao amin' ny fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley. Olona miisa 50 tapitrisa no miteny amin' ireo fiteny ireo any Benîno sy any Ganà sy any Nizerià ary any Tôgô.

Ireo fiteny ireo dia napetraka nifandimby tao amin' ny sampam-piteny benoe-kôngôle sy ny sampam-piteny koà saingy tamin' ny taona 2000 dia nataon' ny mpahay teny Williamson sy Blench ho sampana misaraka izy ireo. Somary manjavozavo ny sisin-tany manasaraka ny vondrona roa ao amin' ny fiteny vôltaika-nizeriana, izay midika fa fitohizam-piteny fa tsy fisarahana mazava ho sampana roa no misy.