Ny fiteny skôty dia karazan' ny fiteny anglika ao amin' ny fianakaviam-piteny jermanika andrefana, tenenina any Ekôsy sy ny ampahany amin' i Ulster any avaratr' i Irlandy. Io no fiteny tenenin' ny ankamaroan' ny olona any amin' ny faritra ambany any Ekôsy Ambany (Scottish Lowlands), ireo Nosy any Avaratra, ary any amin' ny faritra avaratr' i Ulster. Ny fiteny skôtsy ankehitriny dia fiteny mpirahavavy amin' ny fiteny anglisy ankehitriny, satria nisaraka avy amin' ny loharano iray ihany izy roa: ny fiteny anglisy antenatenany (taona 1100–1300).

Ny fiteny skôtsy dia neken' ny governemanta ekôsey ho fiteny tompontany any Ekôsy, fitenim-paritra na fitenin' ny vitsy anisa any Eorôpa, ary fiteny marefo ho an' ny UNESCO. Tamin' ny fanisam-bahoaka natao tao Ekôsy tamin' ny taona 2011 dia olona maherin' ny 1,5 tapitrisa any Ekôsy no nilaza fa afaka miteny skôtsy.

Noho ny tsy fisian' ny fepetra eken' ny rehetra hanavahana ny fiteny amin' ny fitenim-paritra dia matetika ny manam-pahaizana sy ny antoko liana hafa dia tsy mitovy hevitra momba ny sata ara-piteny sy ara-tantara ary ara-tsôsialy misy ny fiteny skôtsy, indrindra ny fifandraisany amin' ny fiteny anglisy.