Ny fiteny seboanô na fiteny visaiana dia iray amin' ny fiteny bisaia ampiasaina ao amin' ny faritanin' i Cebu sy ny faritany hafa ao Filipina. Anisan' ny zana-bondrona antsoina hoe “bisaiana” ao amin' ny sampan' ny fiteny filipina ao amin' ny sampam-piteny malaiô-pôloneziana ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana izy io, miaraka amin' ny fiteny hiligainôna sy ny fiteny taosoga ary manana mpiteny efa ho 45 tapitrisa. Ny anarany dia avy amin' ny anaran' ny nosy Cebu any Filipina, izay ampiana ny tovana espaniôla -ano izay midika hoe "avy any".