Ny fiteny paioana no fiteny ampiasain' ny Paioana ao Taiwan (na Formosa). Vondrom-pitenim-paritra ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana io fiteny io, ao amin' ny zana-bondrom-piteny fôrmôsana. Any amin' ny farany atsimon' ny nosy Taiwan no ampiasana ny fiteny paioana. Tombanana ho 66 000 ny isan' ny mpiteny.Ny fiteny paioana dia anisan' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana izay ahitana fiteny maherin' ny 1 200 ary ampiasaina any amin' ny faritra iray manomboka any Taiwan ka hatrany Zelanda Vaovao sy avy any Hawaii sy ny Nosy Paska ka hatraty Madagasikara.