Ny fiteny ombondo dia fitenin' ny vahoaka ôvimbondo (tsy afangaro amin' ny fiteny kimbondo ampiasain' ny Ambondo na Akoambondo mipetraka any avaratry ny Ôvimbondo) any Angôla. Ao amin' ny fianakaviam-piteny banto ny fteny ombondo sy ny fiteny kimbondo.

Ny fiteny ombondo dia ampiazsain' ny Angôley miisa 5,9 tapitrisa an-trano araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2014, ka noho izany dia io no fiteny banto be mpampiasa indrindra any Angôla.

Nozanahin' ny Pôrtogey nandritra ny taonjato faha-19 ny Ôvimbondo ary nosoratan' ny misiônera pôrtogey (katôlika) sy amerikanina (prôtestanta) ho amin' ny abidy latina ny fiteniny. Namolavola fitsipi-pitenenana momba ny fiteny ombondo izay mbola manankery ihany koa ny misiônera prôtestanta.

Jereo koa hanova