Ny fiteny maleziana, izay fantatra ihany koa amin' ny hoe fiteny maley maleziana na fiteny maley fotsiny, dia endrika ny fiteny maley ampiasaina any Malezia ary ampiasaina koa any Broney sy any Singaporo (mifanohitra amin' ny karazany ampiasaina any Indônezia, izay antsoina hoe fiteny indôneziana). Amin' ny fiteny maley io fiteny io dia atao hoe Bahasa Melayu Malaysia na Bahasa Melayu piawai na Bahasa Malaysia.

Ny fiteny maleziana dia nampanarahim-penitra avy amin' ny fitenim-paritra maley any Johore-Riau. Ny ankamaroan' ny Maleziana dia miteny azy io, na dia mianatra fiteny maley na fitenin-drazana hafa aza ny ankamaroany. Taranja tsy maintsy atao any amin' ny sekoly ambaratonga fototra sy ambaratonga faharoa ny fianarana ny fiteny maley.