Fiteny limborgiana

Ny fiteny limborgiana dia fiteny ao amin' ny vondrona jermanô-neerlandey, ao amin' ny sampam-piteny jermanika. Ny fiteny limborgiana dia fiteny jermanika andrefana. Noho izany dia ao amin' ny sampana fransika ambany izay ao amin' ny fiteny alemana ambany toy ny fiteny ny fiteny neerlandey izy io. Na izany aza, dia karazan' ny fiteny fransika ambany izay miavaka tsara amin' ny karazana hafa toy ny fiteny brabantiana sy ny fiteny hôlandey (samy fitenim-paritra neerlandey) izy; ohatra, ny fiteny limborgiana, nandritra ny tantarany, amin' ny ampahany, dia niharan' ny fiovan-drenifeo faharoa, ka noho izany ny ankamaroan' ny fitenim-paritra limborgiana dia mampiasa ny mpisolo tena ich ("izaho") amin' ny mpandray anjara voalohany milaza tokana, ho solon' ny ik.