Ny fiteny fijiana dia fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana, ao amin' ny vondrom-piteny malaiô-pôlineziana atsinanana ary ny marimarina kokoa ao amin' ny fiteny ôseanika (zana-bondron' ny fiteny fijiana atsinanana). Ampiasaina any Fijy izy io, izay iray amin' ny fiteny ôfisialy hatramin' ny taona 1997, miaraka amin' ny fiteny hindy fijiana sy ny fiteny anglisy.