Fiteny eve

(tonga teto avy amin'ny Fiteny ewe)

Ny fiteny eve na fiteny eoe (eʋe [e'βe]) dia fiteny ampiasain' ny olona 5 hatramin' ny 7 tapitrisa[1] eo ho eo any Afrika Andrefana, indrindra any Ganà sy any Tôgô. Ao amin' ny Fitohizam-piteny gbe (tenenina ao Ganà, ao Tôgô, ao Benîno ary ao Nizerià) ao amin' ny fianakaviam-piteny ny fiteny eve.

Mbola ambangovangony  amin'ny resaka fiteny sy resaka togo ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Sarintany maneho ny faritra itenena fiteny gbe. Nolokoana mavo ny manandrify ny fiteny eve.

Ny fiteny gbe lehibe hafa dia ny fiteny fôna, izay ampiasaina indrindra any Benîno. Tahaka ny fiteny afrikanina maro, ny fiteny eve dia misy lantom-baninteny ary mety ho mpikambana ao amin' ny fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley.

Abidy hanova

Mampiasa ny abidy latina ny fiteny eve, miampy litera maro. Misy sasany avy amin' ny litera IPA (API)

Lohatsoratra A B D Ɖ Dz E Ɛ F Ƒ G Gb Ɣ
Zanatsoratra a b d ɖ dz e ɛ f ƒ g gb ɣ
Lantom-peo /a/ /b/ /d/ /ɖ/ /d͡z/ /e/ /ɛ/ /f/ /ɸ/ /ɡ/ /ɡ͡b/ /ɣ/
Lohatsoratra H I K Kp L M N Ny Ŋ O Ɔ P
Zanatsoratra h i k kp l m n ny ŋ o ɔ p
Lantom-peo h/ /i/ /k/ /k͡p/ /l/ /m/ /n/ /ɲ/ /ŋ/ /o/ /ɔ/ /p/
Lohatsoratra R S T Ts U V Ʋ W X Y Z
Zanatsoratra r s t ts u v ʋ w x y z
Lantom-peo /l/ /s/ /t/ /t͡s/ /u/ /v/ /β/ /w/ /x/ /j/ /z/

Misy tilda (~} eo ambon' ny zanapeo rehefa an' orona ny zanapeo (ã, ĩ, ũ, ẽ, õ, ɛ̃, ɔ̃)

Jereo koa hanova

  1. Hoy ny Capo, 1991