Ny fiteny baska no fitenin-drazan' ny vahoaka teratany baska, ampiasaina ao amin' ny Firenena Baska. Io no hany fiteny manirery mbola velona amin' ny fiteny rehetra any Eorôpa. Ny fiteny baska dia antsoina hoe fiteny akitana tamin' ny Andro Taloha ary lingua Navarrorum (fitenin' ny Navarey) tamin' ny Andro Antenatenany, no fiteny tranainy indrindra mbola velona ao Eorôpa Andrefana. Atao hoe euskara ity fiteny ity amin' ny teny baska. Ny fiteny baska dia ampiasain' ny 28,4 % (751 500) amin' ny Baska amin' ny fizaràn-tany rehetra. Amin' ireo, ny 93,2 % (700 300) dia ao amin' ny faritr' i Espaina ao amin' ny Firenena Baska ary ny 6,8 % (51 200) sisa dia ao amin' ny ampahany ao Frantsa.

Olentzero in Gipuzkoa, Firenena Baska
Firenena Baska

Jereo koa hanova