Fiangonana tany Smirna

Ny fiangonana tany Smirna na eglizy tany Smirna dia iray amin' ireo fiangonana resahina ao amin' ny Apôkalipsin' i Joany (na Jaona) fa nandefasana taratasy.

Ireo tanàna nisy ny fiangonan' ny Apôkalipsy

Toerana nisy azy ara-bakiteny hanova

I Smirna dia tanàna niorina tamin' ny morontsiraky ny Ranomasina Egea. Ao amin' ny toerana misy ny tanànan' i Izmir (any Torkia) ankehitriny no nisy azy. Tanàna mora arovana amin' ny fanafihana izy noho izy niorina ambony harambato sarotra anihina, an-tsaikanosy.

Filazana momba azy ao amin' ny Baiboly hanova

8 Manorata koa ho an' ny anjelin' ny Eglizin' i Smirna: Izao no lazain' ilay Voalohany sy Farany, izay efa maty ka velona indray:

9 Fantatro ny fahoriana amam-pahantranao, nefa manan-karena hianao; ary fantatro ny fitenenan-dratsin' ireo manao azy ho Jody, nefa tsy izy, fa sinagogan' i Satana. 10 Aza matahotra na inona na inona amin' izay efa hiaretanao. Indro, efa handatsaka ny sasany aminareo an-tranomaizina ny demony, mba hovoazaha toetra hianareo, sy hiari-pahoriana hafoloana. Mahareta ambara-pahafaty, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana.

11 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain' ny Fanahy amin' ny Eglizy: Izay mandresy dia tsy hosimban' ny fahafatesana faharoa. (Apô 2.8-11, Ny Baiboly Masina)

Jereo koa hanova