Fanoroana:Lahatsoratra amin'ny fiovana farany
Ny pejy mikasikan'ny fanovana farany (na koa RC, fanafohezana ny teny recent changes amin'ny teny anglisy) dia ahitana ny lisitry ny pejy voaova farany teto amin'i Wikipedia. Misy pejy tokana maneho ny fanovana farany ny tetikasa wiki rehetra izay mampiasa ny rindrankajy Mediawiki : motera wiki ampiasaina ho an'ny tetikasa Wikimedia.
Tanjona hanova
Ny tanjon'io pejy io dia :
- ijerena ary manamarina ny asa na fanovana nataon'ny hafa ;
- anitsiana na manala ny fanimbana ;
- ahitana ny mpandray anjara vaovao, ary mandray azy.
Aiza ny misy ilay pejy hanova
Eo amin'ny toolbar eo amin'ny sisiny ankavia dia misy rohy "fanovana farany" ao amin'ny fizarana "handray anjara".
Manindry hoe alt-r eo amin'ny klavie (mandeha amin'ny ankamaroan'ny tetikasa wiki)
manoratra hoe special:recentchanges eo amin'ny fikarohana na mamorona rohy anaty [[special:recentchances|fanovana farany]] eo amina pejy iray : ny pejinao ohatra.
Fahazoana ny fanovana farany hanova
Raha tsipalotra (par défaut) ny safidinao, dia maneho ny fanovana dimampolo farany nataon'ny olombelona (satria misy koa ny mpikambana rôbô). Eo ambany eo misy ohatra iray :
Lisitry ny fanafohezan-teny:
- D
- Fanovana an'i Wikidata
- V
- Namorona pejy vaovao io fanovana io (jereo koa ny lisitry ny pejy vaovao)
- k
- Kely fotsiny ity fanovana ity
- r
- Nataon'ny rôbô ity fanovana ity.
- (±123)
- IO ny isan'ny oktety niova tamin'ilay pejy
8 Mey 2024
fampitahanatant. Fanevan'ny kaominin'i Somme 09:13 +12 CommonsDelinker dinika fandraisan'anjara (Replacing Blason_Albert.svg with File:Blason_ville_fr_Albert_80.svg (by CommonsDelinker because: File renamed: Criterion 4 (harmonizing names of file set) · City's CoA + filename meeting the) fampitahanatant. k Santalum album 08:57 +63 Thelezifor dinika fandraisan'anjara Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso fampitahanatant. k Santalum album 08:53 +221 Thelezifor dinika fandraisan'anjara (Nanisy sary) Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso fampitahanatant. Santalum album 08:48 +131 Thelezifor dinika fandraisan'anjara (Nanisy sary) Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso fampitahanatant. V Santalum album 08:39 +4 107 Thelezifor dinika fandraisan'anjara (Karazan-javamaniry fakana menaka manitra) Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso fampitahanatant. Nogentel 08:04 0 CommonsDelinker dinika fandraisan'anjara (Replacing Blason_ville_fr_Nogente_02l.svg with File:Blason_ville_fr_Nogentel_02.svg (by CommonsDelinker because: File renamed: Criterion 3 (obvious error)).) fampitahanatant. k Église universelle du Royaume de Dieu (Madagasikara) 07:08 +67 Thelezifor dinika fandraisan'anjara Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso fampitahanatant. Église universelle du Royaume de Dieu (Madagasikara) 07:07 +597 Thelezifor dinika fandraisan'anjara (Fikambanana ara-pivavahana) Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso7 Mey 2024
fampitahanatant. V Église universelle du Royaume de Dieu (Madagasikara) 20:13 +1 158 Thelezifor dinika fandraisan'anjara (Fiangonana teto Madagasikara) Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso fampitahanatant. k Fiangonan' ny Vondrona Kristianin' ny Fanahy Masina 20:00 +223 Thelezifor dinika fandraisan'anjara Marika: Hanova araka ny hitan'ny masoAvy any ankavia hatrany ankavanana
- Ny soratra misy rohy fampitahana dia ahafahana mampitaha ny santiôna (version) mihatra ankehitriny amin'ny santiôna talohan'ilay mihatra ankehitriny.
- Ny soratra tant. dia rohy ijerena ny tantaran'ilay pejy (izay manalisitra ny fanovana rehefa natao tamin'ilay pejy).
- Ny soratra k dia midika fa fanovana kely ilay pejy. Ny mpikambana nisoratra anarana ihany no afaka mametraka io marika io.
- Ny soratra V dia milaza fa pejy vaovao io pejy io.
- Rohy mankany amin'ilay santiôn'ilay pejy farany.
- Ny ora nanovana ilay pejy ; azo hovaina ao amin'ny safidinao (raha mpikambana nisoratra anarana ianao).
- Ny elanelan-danjan'ny santiôna ankehitriny sy ny santiôna nialohany, isaina amin'ny oktety. (+12) dia midika fa niampy oktety roa ambin'ny folo ny lanjan'ilay pejy. (-4) dia midika fa nihena efatra oktety ilay pejy. Ny soratra tsotra toy ny literan'ny abidy dia isaina oktety iray fa ny listera misy tsindrim-peo toy ny à dia isaina oktety roa. Noho izany rehefa manitsy teny isika :
Santiôna ankehitriny Santiôna nialoha Elanelana tanana tanàna (+1) tànàna tanana (-2) tanna tanàna (+2)
- Rohy mankany amin'ny pejin'ny mpikambana nanova azy, raha mpikambana nisoratra anarana no naova ilay pejy. Ho an'ny mpikambana nisoratra anarana : rohy mankany amin'ny fandraisan'anjarany no haseho.
- Rohy iray mankany amin'ny pejin-dresak'ilay mpikambana.
- Ho an'ny fanovana anarana, asiana rohy iray mankany amin'ilay lohateny vaovao ary iray mankany amin'ilay lohateny taloha.
- Misoratra anaty fononteny ny famisavisana ny zavatra nataon'ilay mpikambana.
- Amin'ny sora-baventy ny pejy arahanao (ho an'ny mpikambana nisoratra anarana ihany).