Fanoroana:Fanovana pejy an-tsary

Ity pejy ity dia manoro anao an-tsary hoe ahoana no manova pejy iray. Eo ambonin'ny sary ny famisavisana no atao.

Dingana voalohany : Mahita ilay teny diso tsipelina hanova

Ao amin'ny lahatsoratra manana lohateny fiteny thai, dia misy teny iray diso tsipelina ka tiana hotsaraina. Rehefa hitsara azy, dia tadiavina ilay bokotra hanova eny an-tampon'ny pejy.

 

Dingana faharoa : Manitsy ilay teny diso tsipelina hanova

Karohana ao amin'ny efa-joro fanovana ilay teny hita diso tsipelina. ka rehefa hita ilay izy dia ahitsiana.

 

Dingana fahatelo : Hitahiry ilay fanovana natao hanova

Rehefa vita ny fanitsiana isan-karazany, dia tsindriana ilay bokotra misy soratra hoe tehirizo eo ambanin'ny efa-joro fanovana (fenêtre de modification).

 

Dingana fahaefatra : Mijery ny fanovana nataonao hanova

Efa nalefanao ny pejy, ka hiseho afaka segondra vitsivitsy ny pejy novainao miaraka amin'ny fanovana nataonao.

 
Voaova soa aman-tsara ilay pejy ! Ovay ny pejy dia aitaro izy !