Fanoroana:Fanokafana kaonty

  


Ity pejy ity dia manoro anao hoe ahoana no manokatra kaonty eo amin'ny sehatra wiki mampiasa ny rindrankajy MediaWiki. Natao an-tsary ity mba mba hanamora ny famakiana azy ary mba ho mora vakiana. Araho ny dingana dia ho voaforona ny kaontinao.

Dingana voalohany hanova

 

Jereo ery amin'ny sisiny ankavanana fa tokony misy soratra hoe "ampidiro ny solonanarana" eo.

Dingana faharoa hanova

 
  • Ny sary (1) dia captcha hosoratanao eo amin'ny fampidirana teny (2).
  • Soraty ny anaranao eo amin'ny fampidirana teny (3).
  • Soraty ny tenimiafinao eo amin'ny fampidirana teny (4).
  • Avereno fanindroany ilay tenimiafinao eo amin'ny (5).
  • Raha tianao hifandray amin'ny alàlan'ny adiresy imailakao ny mpikamban'i Wikipedia, dia fenoy ny fampidirana teny (6). Izy io koa dia ilaina raha sendra very ny tenimiafinao.
  • Tsindrio ilay efa-joro (7) raha tianao ho tadidian'ny solosaina ny tenimiafinao amin'ny alàlan'ny cookies.
  • Tsindrio ny (8) rehefa feno daholo ny fampidirana teny.

Dingana fahatelo hanova

 
  • Tafiditra ianao.