Fanjakana federaly

Ny fanjakana federaly na federasiôna dia fanjakana mazàna manana ny fiandrianany, fitambaran' ny fanjakana mizaka tena maromaro izay manana ny governemantany manokana avy. Ny satan' ireo fanjakana mizaka tena ireo ireo dia antohan' ny lalàm-panorenana amin' ny ankapobeny, ary tsy azo tohintohinina amin' ny alalan' ny fanapahan-kevitra ataon' ny governemanta foibe federaly manokana. Ny endriky ny governemanta federaly, na ny rafitra ao aminy araka ny lalàm-panorenana, dia antsoina hoe federalisma. Ny fanjakana federaly dia vondron' ny fanjakana miombona sy manana fizakan-tena manokana nefa samy manaiky fahefana ambony iraisana.

Ny fanjakana federaly eto amin' izao tontolo izao

Azo heverina ho mifanohitra amin' ny fanjakana tokana izy, na dia azon' ny sampan-draharaham-pitantanana maromaro tantanina miaraka amin' ny governemantam-paritra misy azy manokana io farany io amin'ny toe-javatra sasany.

Mety ho hahitana vondrom-poko maro ny federasiôna sady mandrakotra fizaràm-tany midadasika (toa an' i Rosia, i Etazonia, i Kanada, i India, i Brezila na i Aostralia), na dia tsy voatery ho izany aza. Ny federasiôna dia matetika miorina amin' ny fifanarahana, mifototra amin' ny fisahiranana na tombontsoa iombonana, eo amin' ny samy fanjakana mahaleo tena. Ny fanjakana mizaka tena amin' ny ankapobeny dia tsy manan-jo hisara-bazana.

Ny federasiôna dia miavaka amin' ny kônfederasiôna, izay fiombonan' ny firenena mahaleo tena, amin' ny alalan' ny fifanarahana iray na maromaro, izay manolotra ny fampiasana ny fahefana sasany ho an' ny rantsa-mangaika iraisana maromaro natao handrindra ny pôlitikan' izy ireo amin' ny sehatra maromaro, nefa tsy mahaforona fanjakana vaovao mifanindry amin' ny firenena mpikambana. Mihazona ny fiandrianany avy araka izany ny firenena ao amin' ny kônfederasiôna.

Indreto ny fanjakana federaly eto amin' izao tontolo izao: Alemaina, Arzantina, Aostralia, Aotrisy, Belzika, Bôsnia-Herzegôvina, Brezily, Emirata Arabo Mitambatra, Etazonia, Etiôpia, India, Iràka, Kanada, Kômôro, Malezia, Meksika, Mikrônezia, Nepaly, Nizeria, Pakistàna, Rosia, Santa-Kity-sy-Nevisy, Sômalia, Sodàna, Sodàna Atsimo, Soisa, ary Venezoela.