Fampisotroana tangena

Fomba fitsarana teo amin'ny Ntaolo ny fampisotroana tangena, saingy efa tsy atao kosa amin'ny tontolo ankehitriny. Ny tangena dia zava-maniry faran'izay mangidy, ary mety hahafaty mihitsy aza ny fisotroana azy. Rehefa misy olona ahiahiana ho meloka amin'ny zavatra iray, dia ampisotroina an'io tangena io izy, ary ny mpimasy na mpanandro no mikarakara izany. Raha maty ilay olona dia eken'ny fiaraha-monina fa tena nisy marina izany ny fahotana nitoriana azy izany, fa raha tsy maty kosa izy dia afaka madiodio tamin'ny fiampangana azy.

Tsy hain'ny siansa hohazavaina ny fifandraisana misy amin'ny fahamelohan'ny olona iray sy ny mahatonga azy ho faty na ho velona rehefa ampisotroina tangena, saingy ny toe-javatra mampanahy ny olona mandroso ankehitriny dia ny mety ho fisian'ny kolikoly teo amin'ny ampisotroina tangena sy ny mpikarakara tangena. Raha misy fifanarahana eo amin'ny roa tonta, dia ataon'ny mpimasy kely fatra ny tangena ao amin'ilay ranoka ampisotroina azy ka tsy mahafaty. Harena toy ny vola na omby no takalon'izay.

"Jodimaro Jodimaro, hano ity lafika ity! Raha nanota matesa, fa raha tsy nanota veloma!"

Jereo koa: hanova