Fahefana mpanatanteraka

Ny fahefana mpanatanteraka dia iray amin' ireo fahefana telo, miaraka amin' ny fahefana mpanao lalàna sy ny fahefana mpitsara, mandrafitra ny fanjakana ao anatin' ny rafitra demôkratika manaja ny fisaraham-pahefana. Izy no tompon' andraikitra amin' ny fitantanana ny pôlitikam-panjakana sy miantoka ny fampiharana ny lalàna novolavolain' ny fahefana mpanao lalàna.

Ao amin' ny rafitra parlemantera, roa loha ny fahefana mpanatanteraka, izay ahitana ny filoham-panjakana (ny filohan' ny Repoblijka na ny mpanjaka izany, toy ny an' ny Fanjakana Mitambatra na ny an' i Soeda) sy ny Governemanta, izay avangongo ao amin' ny lehiben' ny Govenremanta any amin' ny firenena sasany (ny praiminisitra any Italia, ny Bundeskanzler na Chancelier any Alemaina).

Amin' ny fitondrana anjakan' ny filoham-pirenena dia tokan-doha ny fahefana mpanatanteraka, ka ny filoham-panjakana no mampiasa izany fahefana izany, ary ny sisa amin' ny fitondram-panjakana dia eo ambany fahefany (ohatra ny an' i Rosia).

Any Etazonia, izay repoblika federaly anjakan' ny filoham-pirenena nefa mandray ny fitondram-panjakana roa loha dia an' ny filoham-pirenena sy ny filoha lefitra ny fahefana mpanatanteraka .

Ny fahefana feno dia eo am-pelatanan' ny mpanjaka na ny mpitondra jadona any amin' ny fitondra-mpanjaka tsy refesi-mandidy (ohatra ny Papa any Vatikàna) na ny fitondrana jadona (ohatra ny fitondran' i Vichy tany Frantsa).

Ny fanapahan-kevitry ny fahefana mpanatanteraka dia ahitana indrindra ny didim-panjakana sy ny didy hitsivolana ary ny didim-pitondrana.

Jereo koa hanova