Evanjelin' ny Apôstôly Roa ambin' ny Folo

Ny Filazantsaran' ny Apôstôly Roa ambin' ny Folo na Evanjelin' ny Apôstôly Roa ambin' ny Folo dia filazantsara na evanjely izay mamintina ny filazantsara efatra kanônika sy ny fiandohan' ny Asan' ny Apôstôly arahina apôkalipsy telo. Tsy misy afa-tsy amin' ny sora-tanana tokana ihany izy io ary naka aingam-panahy avy amin' ny Apôkalipsin' i Pseodô-Metôdio. Ny fanantenana eskatôlôjika resahiny dia sady tsotra no nohavaozina avy amin' ny lahatsoratra apôkaliptika siriaka teo aloha tamin' ny vanim-potoana iray ihany ary vavolombelon' ny paikadin' ny Kristiana siriana amin' ny fiatrehana ny fanjakazakan' ny Mozilmana tamin' ny tapany faharoa amin' ny taonjato faha-7 satria ny fanjakazakan' ny Mozilmana dia tsy noheverina intsony ho zava-mitranga vonjimaika miteraka fisavan' ny fihenjanana apôkaliptika.

Io asasoratra io koa dia manohana ny fialana amin' ny jodaisma sy ny kristianisma tsy mpomba ny miafizisma ary manolotra ny fitalahoan' ny mpanoratra ao amin' ny fiangonana misy azy mba tsy hiova finoana silamo fa hahatonga ny fiangonana hitazona ny finoana marina.

Jereo koa hanova