Epistilin' i Petera ho an' i Filipo

Ny Epistilin' i Petera ho an' i Filipo na Taratasin' i Petera ho an' i Filipo dia asasoratra gnôstika. Hita tamin' ny voalohany fa taratasy mivalona faharoa ao amin' ny Codex VIII an' ny Tranombokin' i Nag Hammadi izy io. Izany dia fandikana amin' ny teny kôpta avy amin' ny teny grika tany am-boalohany, izay azo inoana fa nosoratana tamin' ny manodidina ny taona 200 taor. J.K.

Nisy kôpia fanampiny tamin' ilay lahatsoratra, nosoratana tamin' ny teny kôpta koa, hita tatỳ aoriana tao amin' ny Codex Tchacos. Nanomboka amin' ny epistily nosoratan' i Petera ho an' i Filipo Apôstôly ilay soratra, saingy niova ho fifanakalozan-kevitra teo amin' i Jesoa sy ny mpianany ny fitantarana.

Ny ivon-kafatr' ilay taratasy dia ny fanasongadinana ny hasarobidin' ny fitoriana ny hafatr' i Jesoa ho an' ny famonjena.