Ny Dira na Diry (amin' ny fiteny sômaly: Dir) dia iray amin' ny foko sômaly lehibe indrindra sy malaza indrindra ao amin' ny Tandrok' i Afrika. Izy ireo koa dia heverina ho ny Sômaly tranainy indrindra nipetraka tao amin' io faritra io. Ahitana azy ireo ny ao Jiboty, ny ao Sômalia, ny ao Etiôpia (faritra Somali, Harar, Dire Dawa, Oromia ary Afar), ary ny avaratra-atsinanana amin' i Kenia (North Eastern Province).