Zafimahaleo Rasolofondraosolo no tena anarany. Teraka ny 26 Mey 1954 tao Marolambo izy.

Mpanoratra, mpamorona sady mpihira izy ary isan'ny nanorina ny tarika Mahaleo niaraka tamin'i Dadah tamin'ny taona 1972 raha nanafana ny tolon'ny mpianatra teny Ankatso izy ireo niaraka tamin'ny gitarany.

Nianatra momba ny fiaraha-monina izy teny amin'ny ambaratonga ambony, ary mbola amin'izany no sehatra iasany.

Indroa voafidy ho solombavambahoaka i Dama.

Rakotozafy, Parson ary Mama Sana no mpanakanto malagasy tiany ; Bob Dylan kosa ny mpihira vahiny ankafiziny.