Ny bozaka, amin' ny hevitra malalak' io teny io, dia izay zavamaniry isan-taona na maharitra, tsy hazo, anisan' ny Angiosperma (tokam-bihy na roa vihy), amin' ny ankapobeny ny miloko maitso. Amin' ny heviny tery kokoa, ny bozaka, na raha ny marimarina kokoa, ny ahitra, dia matetika manondro zavamaniry, indrindra fa ny ahitra fanao sakafom-biby, izay hita indrindra eny amin' ny kijana, ary ny fianakavian-javamaniry mifanakaiky rafitr' endrika aminy, toy ny herana sy ny harefo.

Bozaka any Islandy