Ny Boora no mpisava lalana fotsy hoditra tao Afrika Atsimo, ka ny ankamaroany dia avy amin' ny faritra maro miteny neerlandey any Eorôpa, avy amin' ireo faritany mahaleo tena any Avaratra, nantsoina hoe Republiek der Zeven Verenigde Nederlanden, izany hoe "Repoblikan' ny Faritany Fito Mitambatr' i Nederlandy" (Nederlandy ankehitriny), nefa nisy koa ny avy any Alemaina sy avy any Frantsa.

Fianakaviana boora mpamboly tamin' ny taona 1886.

Tamin’ ny taonjato faha-19 dia nisy koa ny fifindra-monina madinika avy any Nederlandy ho any amin' ny zanatanin' i Goiana Neerlandey (Sorinama ankehitriny). Mbola antsoina hoe Boeroe's (tononina hoe [bu:ru:]) ny taranak' ireo mpanjanaka ireo.

Ny teny hoe Boora dia fanagasiana ny teny afrikansa hoe Boer izay vakina hoe [buːɾ] sady midika hoe "tantsaha", raha manondro maro izy dia lasa hoe Boere.

Tamin' ny taonjato faha-20, ny teny hoe Boora (Boers), izay matetika manondro ny mponina miteny afrikansa any amin' ny faritra ambanivohitra, dia voasoloan' ny teny hoe Afrikanera, izay mahafaoka ny Afrikana Tatsimo fotsy hoditra rehetra, an-tanàn-dehibe na ambanivohitra, izay mana ny fiteny neerlandey na ny fiteny afrikansa ho tenin-dreny.

Jereo koa hanova