Faritra Bongolava

(tonga teto avy amin'ny Bongolava)
Faritra Bongolava
-
Fianarana no lova tsara
Firenena  Madagasikara
Faritany Tsiroanomandidy
Renivohi-paritra Tsy fantatra
Distrika Miisa
Lehiben'ny faritra Tsy fantatra
Fianarana no lova tsara
Velarantany 18 982 km2
Isam-ponina 674 474 [1] mpo.
Hakitroky ny mponina Hadisoam-pilazana: Soratra mari-piatoana "" tsy fantatra mpo/km2
Fianarana no lova tsara
Laharam-pehintany -----
Laharan-jarahasina -----

Ny Faritra Bongolava dia anisan' ireo faritra 23 mandrafitra ny firenena malagasy. Ao anatin' ny faritanin' Antananarivo teo aloha no misy azy. Distrika roa no mandrafitra ny Faritra Bongolava, dia ny Distrikan' i Tsiroanomandidy (renivohitry ny faritra) sy ny Distrikan' i Fenoarivobe. Ny Faritra Betsiboka, Melaky, Menabe, Vakinankaratra, Itasy ary Analamanga no mamaritra azy.

Tsiroanomandidy

Pôlitika hanova

Tamin' ny Repoblika voalohany dia tao anatin' ny Fileovan' Itasy no nisy ny faritr' i Bongolava. Rehefa niova ny rafitry ny fitsinjaram-pahefana, tamin' ny Repobika faharoa, dia isan' ireo fivondronana 19 mandrafitra ny Faritanin' Antananarivo, ireo distrika roa, Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe. Ankehitriny, tamin' ny fametrahana ireo faritra 23 eto Madagasikara, dia natsangana ho faritra i Bongolava ka i Tsiroanomandidy no renivohitr' izany. Ny lehiben' ny faritra dia i Jean Claude Rabarijaona.

Toekarena hanova

Ny faritra Bongolava dia isan' ny faritra mivelona amin' ny fambolena sy fiompiana. Isan' ny mpamatsy ny renivohitr' i Madagasikara izy eo amin' ny lafiny vary, katsaka. Raha ny fiompiana kosa no asian-teny, dia ny fiompiana omby no mampalaza azy indrindra. Ao Tsiroanomandidy rahateo no misy ny tsenan' omby lehibe indrindra eto Madagasikara. Saika miondrana ao Antananarivo avokoa moa ireo omby ireo.

Mponina hanova

Faritra azo sokajiana ho faritry ny mpifindra monina iny tapany andrefana amin' ny faritanin' Antanaanrivo teo aloha iny. Tsy mahagaga raha hita ao Tsiroanomandidy avokoa ireo foko 18 misy eto Madagasikara.

Distrika ao amin' ny Faritra Bongolava hanova

Jereo koa hanova

Faritany sy faritra eto Madagasikara:

Rohy ivelany hanova

Lahatsoratra samihafa

Didy aman-dalàna

Rohy ivelany hanova

  1. "Troisieme Recensement General de la Population et de L'Habitation (RGPH-3) Resultats Provisoires" (PDF). Institut National de la Statistique Madagascar. Archived from the original (PDF) on November 18, 2020. Retrieved May 23, 2020. {{cite web}}: More than one of |archivedate= and |archive-date= specified (help); More than one of |archiveurl= and |archive-url= specified (help)