Ny Bara Imamono dia Bara (vahoaka malagasy) avy tamin’ ny Bara Be sy ny Iantsantsa ary ny Bara Mananantanana. Notarihin’ i Ratsimifoka sy Ratsimivily rahalahiny nankany Ankazoabo ny olona maro nanaiky azy, dia nampanaiky foko maro tany izy ary naka ny anarana hoe Bara Imamono. Taorian’ ny niorenan’ ny Bara Imamono tany Ankazoabo dia napetrak' i Ratsimivily tao Lamatihy ny Bara Zafindravola izay avy tany Ivohibe ary ny Bara Vinda avy tany Betroka sy Benenitra napetrany tany amoron’ i Taheza.