Bôntôka (vahoaka)

Ny Bôntôka dia vondrom-poko ara-piteny any amin' ny faritra afovoany sy atsinanan' ny Mountain Province, ao amin' ny nosy Luzon any Filipina. Na dia misy Bôntôka ny ao Natonin sy Paracelis aza milaza ny tenany ho Balangaô, Gadanga na Kalinga, ny teny hoe "Bôntôka" dia ampiasain' ny manam-pahaizana momba ny fiteny sy ny antrôpôlôga mba hanavahana ny mpiteny ny fiteny bôntôka amin' ny vondrom-poko ara-piteny mifanila aminy. Nanao fihazana loha izy ireo taloha ary nanana tombokavatsa amin' ny vatana.