Apôkrifan' i Joany

Ny Apôkrifan' i Joany na Apôkrifan' i Jaona dia asasoratra pseodepigrafika kristiana gnôstika setiana tamin' ny taonjato faha-2 lazaina fa nosoratan' i Joany Apôstôly. Anisan' ny lahatsoratra resahin' i Ireneo ao amin' ny bokiny hoe Adversus Haereses ("Manohitra ny Fampianaran-Diso") izy io, izay nametraka ny fanoratana azy talohan' ny taona 180 taor. J.K. Atao hoe Bokin' ny Tsiambaratelon' i Joany na Bokin' ny Tsiambaratelon' i Jaona na ny Apôkalipsy Tsiambaratelon' i Joany na Bokin' ny Tsiambaratelon' i Jaona koa io boky io. Aseho ho milazalaza an' i Jesoa na Jesosy niseho sy nanome fahalalana miafina (gnosis) an' i Joany mpianany ity boky ity. Milaza ny mpanoratra fa nitranga taorian' ny "niverenan' i Jesoa tany amin' ny toetrana niaviany" izany.

Takelaky ny Apôkalipsy Tsiambaratelon' i Joany