Apôkalipsy Gnôstikan' i Petera

Ny Apôkalipsy Gnôstikan' i Petera, na Apôkalipsa Gnôstikan' i Piera, no famelabelarana fahatelo ao amin' ny Codex VII ao angom-bokin' i Nag Hammadi. An' ny gnôstisisma, izay sekta tao amin' ny kristianisma voalohany, ilay asasoratra, ary heverina ho anisan' ny apôkrifan' ny Testamenta Vaovao. Ity asasoratra ity dia fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe Apôkalipsy Kôptan' i Petera na Apôkalipsa Kôptan' i Piera. Azo inoana fa tamin' ny teny grika kôine no nanoratana tany am-boalohany an' ilay asasoratra, ary nosoratana tany amin' ny taona 200 tany ho any. Ny sora-tanana sisa tavela avy ao Nag Hammadi dia fandikana tsy mahafa-po amin' ny teny grika ho amin' ny teny kôpta, ary azo inoana fa tamin' ny taonjato faha-4.

Tsy fantatra ny mpanoratra ilay lahatsoratra, na dia voalaza fa nosoratan' ny apôstôly Petera (pseodepigrafa) aza izy io, izay milazalaza ny fanambaràna maro nomen' i Kristy Mpamonjy azy nandritra ny Herinandro Masina. Ny tena foto-kevitr' ilay asasoratra dia ny dôketisma: ny maha Andriamanitra an' i Kristy dia tsy azo resena ary tsy niaritra ny fanaintainan' ny tontolo mety maty, ary azo antoka fa tsy maty nandritra ny fanomboana miseho. Fa kosa, i Jesoa, ilay olombelona, ihany no nijaly araka ny fanovan' ny petrakevitra momba ny fanoloana. Manakiana vondrona kristiana hafa sasany koa ilay asasoratra, mampitaha azy ireo amin' ny jamba sy marenina, sady milaza fa manana fanahy tsy mety maty ny olona voatahy sasany (azo inoana fa ny Gnôstika).

Jereo koa hanova