Antenimierampirenena (Madagasikara)

Ny Antenimierampirenena no andrim-panjakana misolo tena ny vahoaka sady mpanao lalàna ary manara-maso ny asan' ny Governemanta, manampy ny Antenimierandoholona ao amin' ny Antenimieran' i Madagasikara. Ity Antenimierampirenena ity dia ahitana mpikambana miisa 151 (amin' ity Repoblika fahefatra ity), voafidy hiasa mandritra ny dimy taona.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Andraikitra sy fandaminana hanova

Toy ny tany amin' ireo zanatany frantsay maro teo aloha, ny fandaminana sy ny fahefan' ny Antenimierampirenena Malagasy dia nalaina tahaka avy amin' ny Antenimierampirenena frantsay. Ny mpikambana 151 ao aminy (amin' ity Repoblika fahefatra ity), izay solombavambahoaka dia voafidy hiasa mandritra ny dimy taona amin' ny alalan' ny fifidianana andraisan' ny mpifidy rehetra anjara mivantana.

Tsy azo afangaro amin' ny andraikitra azo avy amin' ny alalan' ny fifidianana hafa na asam-panjakana izany, ankoatry ny asa fampianarana. Manana filoha sy filoha lefitra enina ary kestora roa ity andrim-pa jakana ity. Mivory ao anatin’ ny fotoam-pivoriana ara-potoana roa maharitra mandritra ny enimpolo andro, manomboka amin' ny volana Mey sy amin' ny volana Ôktôbra, azo atao ihany koa ny fivoriana tsy ara-potoana araka ny fanapahan-kevitry ny filohany.

Andraikitra iarahany amin' ny Antenimierandoholona sy ny Piraiminisitra ny fanaovan-dalàna. Ny Antenimierampirena ihany koa no mankatò ny volavolan-dalàna momba ny fitantanam-bola ary mandatsa-bato miaraka amin' ny Antenimierandoholona izy amin' ny fanapahan-kevitra momba ny fidiran' ny firenena amin' ny ady. Ny roa ampahatelon' ny mpikambana dia afaka misafidy ny hanameloka ny Governemanta. Etsy an-daniny dia afaka mandrava ny Antenimierampirenena ny filohan' ny Repoblika. Raha misy ny hamehana na ny loza dia azo omena ny filohan' ny Repoblika ny fahefana mpanao lalàna (izay afaka mamoaka didy hitsivolana).

Jereo koa hanova

Rohy Ivelany hanova

Antemieram-pirenena eto Madagasikara Archived Febroary 12, 2013 at the Wayback Machine