Ny angatra dia aretina mifindra amin' ny alalan' ny firaisana ara-nofo vokatry ny Neisseria gonorrhoeae, hitan' i Albert Neisser tamin' ny 1879. Antibiôtika no anasitranana ny angatra, nefa manomboka misy ny otrikaretina tsy andairan' ny antibiôtika.

  • Vehivavy 15-19 taona ary lehilahy 20-24 taona no tena voan'io aretina io.
  • 2-7 andro ny fotoana iotrehany.
  • Mety tsy ahitana famantarana ivelany io aretina io.
  • Mety hahamora ny famindrana ny Viriosy mahavery fiarovana (VIH) ny fananana io aretina io